Ambatondrazaka – « Mpivady vao » novonoina tamin’ny fomba feno habibiana
Mpivady kely vao nanorina tokantrano no novonoin’olon-tsy fantatra tao Ambohitanibe, tanàna iray ao amin’ny ilany andrefan’Ambatondrazaka ny zoma 06 novambra 2015 lasa teo.Raha ny fantatra dia sady nandroba ireo entana tao an-trano toy ny firavaka sarobidy ireo nahavanon-doza no nandatsaka aina tamin’ny fomba mahatsiravina.Mbola tsy fantatra hatreto izay antony nahatonga ny famonoana fa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana.Marihina fa ny faran’ny herinandro lasa teo iny ihany dia nahitana fatin’olona hafa ihany koa tao anaty zetra, mbola ao anatin’ny faritr’Ambohitanibe hatrany ka lasa niteraka ahiahy tamin’ireo mponina manodidina ka mandry tsy lavo loha izy ireo amin’izao fotoana izao.Toerana anisan’ny mamoka-bary be raha ao amin’ny faritr’Ambatondrazaka ny any an-toerana ka zary maha-be fitaintainana ny maro izao tranga nisesy izao izay tsy mba miseho tany amin’izy ireo.Mangataka ny hijerena akaiky ny tsy fandriampahalemana any an-toerana araka izany ny mponina mba ahafahan’izy ireo mihary amim-pilaminana.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







