Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Matahotra an’i Frantsa !

Tsy manafina fa tena mampiseho ny tahony an’i La Frantsa ny mpitondra malagasy ankehitriny. Tsy sahy miaro ny fireneny izay robain’ny vahiny amin’ny alalan’ny fibodoana ireo nosy « Eparses » ny manam-pahefana malagasy nefa dia an’i Madagasikara izao ireo nosy kely aty amin’ny oseana Indiana ireo. Amin’ny lafiny rehetra na ara-tantara, ara jeografika, ara-drariny, ary ny ara-dalàna dia ny Malagasy no tompon’ny Nosy « Eparses » fa alain’ny frantsay ankeriny fotsiny tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Efa namoaka didy anefa ny firenena mikambana ny amerenana ireo nosy ireo an’i Gasikara saingy tsy te halala ny frantsay. Rariny ny azy ireo satria matahotra azy ny mpitondra malagasy ary tsy sahy miteny mihitsy. Tsy mahagaga raha avo vava ny ambasadaoron’i Frantsa ka niteny tsy am-pihambahambana fa azy ireo nosy ireo. Ny governemanta sy ny fiadidiana ny Repoblika rahateo dia tsy ahitan-teny fa mifitsaka any ambadimbadika any.

Mihinam-bolan’olona ny mpitondra malagasy ka tsy sahy mikofoka sao voalatsa mafy na asain’ny vazaha mamerim-bola eo. Vao tsy ela akory mantsy izay ny fanjakana frantsay no nankatoa famatsiam-bola ho an’ny fitondrana malagasy. Tambazan’ny olona amin’ny patsa indray mahandro dia roboka sy mifitsaka. Izany rahateo no manjo rehefa tsy mahavita azy fa miankin-doha amin’ny any ivelany.

Raha ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny no zohina dia tena mbola miaina amin’ny fanjanahantany tanteraka i Madagasikara saingy amin’ny fomba maoderina. Tsy misy na inona na inona azo atao mantsy eto amintsika raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny vahiny. Hatramin’ny tetibolam-panjakana aza dia ny tahirim-bola iraisam-pirenena no mibaiko ny taha sy ny karazan’ny hetra tokony alaina. Mbola ireo mpampanjana-bola iraisam-pirenena ireo ihany koa no manery ny fitondrana tsy handray andraikitra amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny vidin’ny herinaratra.

Mbola zanatany i Madagasikara saingy tsy toy ny fahiny, izay ny frantsay irery no nanjakazaka teto, fa ankehitriny ny vahiny rehetra mihitsy. Hatramin’ny kaomaorianina izay firenena tany aorian’i Madagsikara tamin’ny taona 70 sy 80 tany ho any ary nila ravin’ahitra taty amintsika noho ny fahantrana lalina nahazo azy ireo no lasa manambany sy manao tsinontsinona ny malagasy. Ny fihetsiky ny vazaha sy sinoa ary afrikanina moa dia tsy lazaina intsony fa manoatra noho ny andriamanjaka izy ireny eto amitsika. Tsy azo hadinoina anefa fa tsy velon-komana tany aminy tany ireny vahiny rehetra tsy ankanavaka ireny matoa mitady ravin’ahitra eto Madagasikara. Manambany ny malagasy izy ireo satria fantany tsara fa tsy handray andraikitra amin’ny fanasaziana azy ireny ny mpitondra eto, ary ny Malagasy ihany no poretina rehefa misy ny disadisa.

Any amin’ny firenena mahantra sasany dia misy lalàna fa tsy mahazo mandray mpiasa vahiny ny orinasa sy sehatra rehetra mety misy karama ao amin’ny taniny. Hita porofo mazava mantsy, toy ny eto amintsika, fa lasa fandefasan’ny firenena vahiny ireo olona tsy aninona tsy aninona sy tsy an’asa any amin’izy ireo ny firenena mahantra. Mody manome famatsiam-bola hanaovana tetikasam-pampandrosoana ireny firenana mandroso ireny nefa hanakaramana ireo teratany avy any aminy ihany ny ankabeazan’ny vola ampisamboriny. Ny karaman’ny vahiny iray miasa eto amintsika dia efa mihoatra lavitra ny karaman’ny malagasy folo miara miasa aminy. Ny Malagasy anefa no manao ny asa rehetra fa ireo vazaha mibaikobaiko sy mamingampingana fotsiny ary midera tena ho nahavita rehefa misy ny vokatra.

Tena mbola miaina tanteraka ao anatin’ny fanjanahantany amin’ny fomba maoderina ny malagasy satria tsy sahy mandray andraikitra miaro ny vahoka sy ny fiandrianam-pirenena ny mpitondra. Adinon’ireto farany anefa fa io fihetsiny mialangalana io dia anisan’ny tena tsy hahazoany ny fanohanan’ny vahoaka. Tsy mahagaga raha mitsipozipozy toy izao ity firenena ity satria ny hitsikitsika natao hivavahana lasa kanosa tsy sahy mijoro ho an’ny tombontsoam-pirenena.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre