Andiany Fanantenana – Mpianatra miisa 28 navoakan’ny Isets
Tontosa ny zoma lasa teo, tao amin’ny hotely Le grand Mellis, ny lanonana famoahana ny andiana « Fanantenana », tao amin’ny « Institut supérieur d’enseignement technologique et des sciences » na Isets. Miisa 28 ireo mpianatra izay voalohany nahazo ny mari-pahaizana hatramin’ny nijoroan’ity sekoly ambony ity. Ny « Diplôme de technicien supérieur » (Dts) na Bacc+2, teo amin’ny sampam-pianarana fitantanana, informatika, serasera sy « multimédia » ary ny fanamboarana foto-drafitr’asa govana nozaraina tamin’ireo mpianatra. Santatra ambavarano ihany ireo fa manomboka amin’ity taona 2015 ity dia hizara diplaoma lisantsa sy Mastera I sy II ny sekoly Isets ho fanomezana fahalalana bebe kokoa ireo mpianatra ao aminy.
« Ny mpianatra ato amin’ny Isets, tsy maintsy manatanteraka fianarana asa isaky ny telo velona ary ny 70 isan-jatony ny fampianarana dia fampiharana avokoa. Izany no natao mba hifehezan’izy ireo ny asany ary ny ankamaroany mpianatra ato aminay dia olona efa miasa avokoa », araka ny fanambaran-dRakotonirina Hanitra, tale akademika ny Isets. Mandritra ny fianarana asa dia misy ny fanaraha-maso akaiky ataon’ny sekoly amin’ireo mpianatra any amin’ireo orinasa miara-miasa aminy. Mampiavaka azy ihany koa ny fanabeazana ny maha olona.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







