Fanitsiana fizakana ny zom-pirenena malagasy – Angatahana tolo-tanana avy amin’ny gazety sy minisitera
Lany andro ny «Code de la nationalité» na ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy. Ny tena marina aza hoy ny « Focus Development Association”, fikambanana tsy miankina, dia tsy mifanentana intsony amin’ny vaninandro ankehitriny io lalàna io. Tena tsy mifanaraka amin’ireo lalàna velona (Lalampanorenana) sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena efa nankatoavina’ny firenena malagasy.
Tsy lojika tokoa ny zava-misy eto amintsika raha dinihina, satria ilay lalàna mametra ny tsy fahazoana zom-pirenena malagasy ho an’ny zaza nateraky ny reny malagasy manambady ara-dalàna olona hafa firenena, dia mety hahatonga ilay zaza ho tsy mizaka zom-pirenena (apatride) raha sanatria tsy mahazo izany any amin’ny rainy izy.
Ny zaza sary kosa anefa, izay tsy fantatry ny lalàna ny rainy, dia mahazo io zom-pirenena malagasy io, na dia fantatra ara-piaraha-monina aza, fa olona hafa firenena no nanao tokantrano maso tamin-dreniny.
Santionany sy ohatra iray ihany io, fa maro ireo sakantsakana isan-tokony tsy nahazoan’ny olona teraka fahagolantany sy nitoetra ela teto Madagasikara ny zom-pirenena maha-malagasy azy ireo ka angatahana tosika avy amin’ny tontolon’ny gazety sy ny serasera.
Solo R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







