Dr Maurice Collin Ho any – Soatanàna na tsy ao anaty diariny aza
Izany no nambarany an’ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina ambanivohitra maro nahazo famatsiana tamin’ireo Rotary club international samihafa any Frantsa sy ny ONG Santé & Développement tarihiny.
Tsy iza ireo fa ny Ben’ny tanànan’Anjanadoria, Rakotoniaina Annie sy ny Ben’ny tanànan’Ampaneva, Rabodoarilala Ramananiary. Samy mpitantana kaominina nisitraka ny famatsiam-bola nampidirana rano fisotro sy fanatsarana ny tanàna izy mirahavavy ireo.
Mitentina an’hetsiny amin’ny vola euros ary efa mihoatra lavitra ny an-tapitrisa mihitsy aza ny fitambaran’ny fanampiana nokarohan’ny Dr Maurice Collin nentina nanaovana asa soa maro loha teo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy fahasalamana teto Madagasikara. Tonga mitsidika eto an-toerana izy izao.
Na dia voafetra ihany aza ny isan’ireo kaominina voafidin’ny Rotary club international nahazo fanohanana, tsy nahasakana ny Dr Collin handresy lahatra ireo mpanao tsilazaina any avaratr’i Frantsa izany. Nanohina ireo mpino katolika mpamonjy fivahiniana masina any Lourdes sy Saint-Jacques-de-Compostelle tokoa ny nahafantatra fa misy olona an’arivony tsy ampy rano fisotro sy fidiovana any Soatànana mandritra ny fivoriambe isan-taona. Izany no nampihetsika ireo malala-tanana.
Solo R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







