Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Morondava – Nozaraina tamin’ny sahirana ny drakaka tsy ara-dalàna

Drakaka tsy ara-dalàna milanja 80 kilao no tra-tehaky ny tompon’andraikitra tany Morondava teny amin’ny fihantsonan’ny taksiborosy. Saika alefa aty Antananarivo ireo hazandrano anaty fotaka ireo ary nisy taratasy ihany saingy tsy mifanaraka amin’ny voalaza ny lanjany. Raha ny voalaza tao anaty fahazoan-dalana mantsy dia saika ho an’ny fianakaviana ireo biby fanao sakafo ireo ary 10 kilao ny lanjany. Nanamarika anefa ny tompon’andraikitra fa 5 kilao ihany no fetran’ny azo alefa toy izao. Izany hoe na ilay taratasy aza dia nanaovana kolikoly no nahazoana azy.

Nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra fa ho zaraina amin’ireo fikambanana mpanao asa soa toy ny mpitaiza zaza kamboty sy beantitra ireo foza be ireo satria afaka amidy ary hahazoan’ireo fikambanana vola hanasoavana ny asa sosialy. Fepetra iray izay nanehoana ihany koa fa tsy nisy ny kolikoly afaka nataon’ny tompony namerenana taminy ireo entana fa dia hentitra ny tompon’andraikitra.

 

Ra-Dom

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre