Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Taolam-paty – Amidy 6,5 tapitrisa ariary ny kilao

Vola be ny bizina taolam-paty ka tsy mahagaga raha mirongatra ny vaky fasana. Mahatratra 6,5 tapitrisa ariary ny taolan-dava iray kilao any Mahajanga, raha ny fitantaran’ireo jiolahy sarona tamin’ity heloka bevava iray ity.Tamin’ny alahady lasa teo izy ireo no tra-tehaka tao Mariarano niaraka tamin’ny taolan-dava milanja 28 kilao saika amidy any Mahajanga. Telolahy izy ireo no tra-tehaky ny polisy ary niaiky ny heloka vitany. Mitohy ny fanadihadiana saingy tsy mbola nisy nivoaka kosa ny anaran’ireo mpandray ny taolana sy ny mety ampiasana izany.

Hatreto aloha dia saika mijanona eo amin’ny fisamborana ireo mpitondra sy mpivarotra ny taolana ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana fa mbola tsy nisy mihitsy vavao ofisialy mahakasika ny mpaniraka sy mpandray ary mpampiasa ireo taolan-dava angalarina any am-pasana.

Tombatombana fotsiny ny an’ny maro fa hanamboarana firavaka avo lenta any ampitan-dranomasina izy ireny. Azo avadika ho diamondra mantsy ny taolan’olombelona rehefa tena betsaka ka ny taolan-dava no voalazan’ny manam-pahaizana fa tena mety amin’izany.

 

Ra-Dom

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre