Mpitsindrona sy mpivarotra « héroïne » – Olona miisa 8 natolotra ny fampanoavana
Lehilahy fito sy vehivavy iray no natolotra ny polisim-pirenena ny fampanoavana omaly, noho ny fivarotana sy fintsindromana zava-mahadomelina mahery vaika na « héroïne », taorian’ ny fanaovana famotorana azy ireo. Ny talata 10 novambra, tokony ho tamin’ny 5ora hariva no saron’ny polisy izy ireo, teny Ankasina 67ha. Mpivady mpivarotra ary enin-dahy mpitsindrona kosa ny ambiny. Tamin’ny fisavana ilay trano indrindra ireo polisy no nahita ny « héroïne » milanja 5 grama.
Tamin’ny famotorana natao tamin’ireo mpivady no nahafantarana fa 220 000 ariary no hividianan’izy ireo ny 1 grama amin’izany “ramaître” izany ary amidiny 10 000 ariary ny 0,1 grama. Tsy vitan’ny mivarotra ihany fa mbola mitsindrona ihany koa izy ireo ary efa naharitra enim-bolana no nanaovany io asa ratsy io.
Izy enin-dahy mpitsindrona kosa dia nilaza fa efa am-bolana maromaro no nitsindrona ity zava-mahadomelina ity ary ao amin’izy mivady ireto no fividianany izany. Marihina moa fa 20 ka hatramin’ny 25 taona no salan-taonan’izy ireo ary samy mbola mpianatra avokoa.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







