Hopitaly be Toamasina – Nomena « générateur d’oxygène »
Ho fanatsarana ny fahasalaman-bahoaka sy ny andavanandron’ny mponina dia notolora ny Rotary Club « générateur d’oxygène » ny Hopitaly be any Toamasina. Efa nanomboka ny 28 aogositra lasa teo no niasa ity fitaovana vaovao ity izay misy fiantohana sy fikolokoloana mandritra ny 2 taona. Atrikasa izay notanterahana nandritra ny herintaona notantanin’i Mandimby Rajerisoa, niaraka amin’ny fandraisana anjara ny Rotary Club, Noumea Ducos Boular sy ny lefitry ny governora Shelly Oukabay.
Rotary maro no niara-nisalahy tamin’ny nahatontosa io atrikasa io, ao anatin’izany ny Rotary distrika 3730 Korea, distrika 9910 South Pacific, distrika 9910 Foundation Chair ary ny distrika 9220 ka « générateur d’oxygène » mitentina 100 000 dolara eo ity natolotra ny Hopitaly be Toamasina ity, avy tamin’ny orinasa Eole. Ny tanjon’ny Rotary dia ny hamonjy ireo olona marary mila « oxygène » amin’ny alalan’io « générateur » io. Araka ny fanambaran’ny lehiben’ny Rotary club Ivandry dia hisy ny fampiofanana ataon’ny orinasa Eole ireo mpiasa ao amin’ity hopitaly ity mba hiantoka ny fikolokoloana io fitaovana io aorian’ny 2 taona. Fa ny fahasitranan’ireo marary no tena ifantohana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







