Asa fampihorohoroana – 52 taona an-tranomaizina no sazin’ilay lehilahy
Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mahakasika ilay lehilahy 50 taona mampihorohoro iny Faritra Vakinakaratra iny ka sazy 52 taona an-tranomaizina no azony. Malaza amin’ny resaka fanolanana sy famonoana olona ary fanafihana mitam-piadiana entina ampitahorana ireo lasibatra.
Toarian’ny fitarainana maro voarain’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia nandeha ny fikarohana azy io ka ny taona 2010 no voasambotra ny lehilahy ary notazomina am-ponja vonjimaika tany amin’ny distrikan’Ambatolampy mandra-pahatongan’ny fotoana hitsarana azy.
Niaiky ny fiampangana rehetra notazomana azy ilay rangahy nandritra ny famotorana natao taminy manoloana ny fitsarana. Araka izany ary dia voasazy 20 taona an-tranomaizina izy noho ny famonoana olona, 17 taona kosa tamin’ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ary 15 taona noho ny fanolanana. Raha atambatra ireo rehetra ireo dia any amin’ny faha 102 taonany any izy vao mivoaka ny fonja.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







