Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ripaka ny harena

Tsy mitsaha-mitombo ny fandripahana ny harena ara-voajanahary eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Vao tamin’iny herinandro iny no nahatrarana zana-tsokatra marobe saika aondrana an-tsokosoko, avy any Toliara izy ireto. Tsy voalohany no nisian’izany fa efa maro tato anatin’ny volana vitsivitsy monja. Midika io tranga io fa gaboraraka ny fiarovana ireny biby ireny ary mandeha tsara ny trafika matoa misy ireo olona maka izany any anaty faritra arovana. Misy manafatra mialoha ary mampanantena fa hividy lafo ireny sokatra ireny ka izay no mampirongatra ity heloka bevava ity. Mazava ho azy fa aondrana any ivelany ireny biby ireny ary misy ny hirika ahafahana manao izany. Gaboraraka ny ladoany sy ny sisin-tany malagasy matoa misy ny trafika. Vola be ho an’ny mpanondrana harem-pirenena an-tsokosoko io ary tsy misy risika satria toa tsy maty manota ireo tompon’antoka ambony mpaniraka. Ireo mpitondra ny biby izay sendra sarona ihany no midoboka kely any am-ponja ary avy eo tsy hita ny tohin’ny raharaha. Tsy fantatra intsony ohatra ny nihafaran’ilay vehivavy ejiptianina tratra nitondra biby malagasy izay tsy azo amidy na aondrana any ivelany. Tena tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana sy fiarovana ireo harem-pirenena fa manao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy. Mba betsaka ihany ny faritra arovana no natsangana saingy to mifantoka amin’ny resaka isa sy haben’ny velaran-tany fotsiny ny fitondram-panjakana fa tsy mahita vokatra amin’ny tena fiarovana azy ireny. Efa eny an-dalana hanondranana ireo biby sy zavamaniry vao hita fa tsy mbola nisy mihitsy mpangalatra tra-tehaka tao anaty valan-java-boahary teo am-pangalana ireny harem-pirenena ireny. Toy izany ohatra ny andramena izay hazo be adaboka ao anaty ala nefa tsy hitan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Ala sy ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana, izay karamaina be amin’ny famatsiam-bola hiarovana ny ala, izay manapaka ireny hazo ireny. Efa ampakarina eny ambony sambo ireo hazo sarobidy izay vao misy manao tatitra any amin’ny fitondrana foibe. Toa lasa sarin’ady sisa ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena. Na atsangana aza ny fitsarana manokana hisahana izany dia ho faty momoka ny ezaka satria ny mpitsara tsy afaka ny hitsara afa-tsy izay olona voasambotra atolotra eo aminy. Ny tena olana anefa dia tsy misy olona voasambotra eo am-panapahana andramena, na eo am-pangoronana sokatra sy tanalahy fa ny mpitondra azy ireny no voasambotra. Toy izany ihany koa ireo mpandoro ala izay tsy mba mety voasambotra mihitsy. Tsy misy rahateo ny fanadihadiana manokana tena hahalalana ireny mpandoro tanindrazana ireny fa saika mionona amin’ny fampitahorana fa mampigadra ny mandoro tanety fotsiny ny tompon’andraiki-panjakana. Ireharehan’i Madagasikara ny fananana harena ara-tontolo ianana tsy manam-paharoa nefa tsy mahavita miaro izany ny Fanjakana mahefa eto fa toa zary lany andro amin’ny fitarainana fotsiny ihany mba hahazoana famatsiam-bola avy any ivelany. Tsy hitsahatra izany ny fanimbana ny ala sy ny zava-boahary ao anatiny raha tsy misy fanadihadiana avo lenta hanaovana haza lambo ireo mpandoro ala, mpanapaka hazo ary mpihaza biby, miampy ireo mpitatitra sy mpamoaka ireny eto Madagasikara ary ny mpandray any ivelany. Tsy maintsy hilaza anefa ny fitondrana fa tsy ampy ny fahafahana manatanteraka izany ary mila vola sy olona ary fitaovana tsy hita pesipesenina. Dia ho tazanim-potsiny toy izao hatrany ny fahasimban’ny harem-pirenena ary andrasana ho simba sy tsy hisy intsony mba ahafahana mitaraina amin’ny  mpamatsy vola iraisam-pirenena. Ny fandrarana ny fampiasana harona sase no mahamaika ny mpitondra fa tsy ny famongorana ireo fanetriben’ny firenena izay miliba sy mangalatra ny zava-boahary.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre