Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambatondrazaka – Jiolahy 11 voasambotra niaraka tamin’ny kalachnikov sy bala

Nitrangana halatra omby tao amin’ny kaominina Manakambahiny, distrikan’Ambatondrazaka, tamin’ny herinandro lasa iny. Vatan-dehilahy miisa 11 nirongo basy kalachnikov no nanantanteraka fanafihana valan’omby maromaro tao an-tanàna. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy vao niditra ny tanàna ampihorohoroana ny fokonolona. Lasa tamin’izany ny omby maherin’ny valopolo. Niezaka nanao ny fanarahan-dia ihany ireo fokonolona fa niala maina, hany ka nampandre ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fikarohana dia sarona ny folo lahy.Tsy nijanona teo fa nitohy ny fitadiavana ny iray naman’izy ireo. Ny faran’ny herinandro teo no tratra tany Amparatsiaka, kaominina Antsangatsangana, ao antin’ny distrikan’Ambatondrazaka ihany io jiolahy io ary tratra niaraka taminy koa ny basy kalachnikov iray sy bala izay fampiasany mandritra ny fanafihana.

Ankoatra ny fandravana fananan’olona dia mahavita mandoro trano ihany koa ireo olon-dratsy ireo.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre