EPP Antanimena – Mpianatra 300 notsaboin’ny “Inner wheel club” maso
Amin’ny maha-zava-dehibe ny fananana fahasalamana ara-pahitana, indrindra ho an’ny mpianatra dia nanao fizahana maso maimaim-poana ireo ankizy mianatra eny amin’ny Epp Antanimena ny fikambanam-behivavy Inner wheel club, ny zoma lasa teo. Mpianatra miisa 300 sy ray aman-dreny no notiliana maso tamin’izany, izay fiaraha-miasa amin’ny Dr Agarwal’s Eye hospital. Noho ny tsy fahafahan’ireo ray aman-dreny hitsabo ny mason-janany amin’izao fiainana sarotra izao no antony nanaovan’ny Inner wheel club ny hetsika. Aorian’ny fizahana dia hiezaka ny fikambanana hiantoka ny solomaso ho an’ireo marary, ary ho didiana ihany koa ny mason’ireo izay mila izany.
Notolorana fahitalavitra ireo zokiolona eny Ambohimanambola
Ankoatry ny EPP Antanimena dia nanao asa fanasoavana tany amin’ny Ivon-toerana fitaizana zokiolona teny amin’ny « Foyer de vie » Ambohimanambola ihany koa ity fikambanam-behivavy ity. Araka ny fangatahan’ireo zokiolona miisa 36 tezaina eny dia notolorana fahitalavitra izy ireo mba ahafahany miala voly satria dia efa enim-bolana izao no simba ny televiziona ao amin’ity toerana ity. « Asa imasoan’ny fikambanana ny fanaovana asa soa sy ny fizarana fifaliana amin’ny mpiara-belona, ary indrindra mba hanomezana fanantenana indray ireo zokiolona efa mandroso taona amin’ny fiatrehana ny fahanterany », araka ny fanamarihana nataon-dramatoa Mary Strotet, governoran’ny Inner Wheel aty amin’ny distrikan’ny ranomasimbe Indiana. Tsy vao sambany ny manampy ny zokiolona ny Inner Wheel fa isam-bolana dia misy ny fanaterana PPN ho an’ireo zokiolona; efa nozaraina bodofotsy ihany koa ireo olon-dehibe tezaina eto amin’ny « Foyer de vie » ireto.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







