Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ikopa – Fatin’ny rangahy 50 taona natsingevan’ny rano

Lehilahy iray manodidina ny 50 taona hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa ny alahady atoandro, tokony tamin’ny 1 ora sy fahatelony, teny amin’ny faritra Ankadimbahoaka. Mety handeha hilomano no anton-dian’io rangahy io teny an-toerana , nefa izao navadiky ny rano izao. Hita teo amoron-drano tsy lavitra nisy ny razana mantsy ny fitafiany.

Nampandre ny mpamonjy voina ireo mponina teny an-toerana ary tamin’ny fahatongavan’izy ireo  dia mbola nihohoko tao anaty rano ny razana. Nampiakarina teo amoron-drano avy hatrany  mandra-pahatongan’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Bmh. Ora iray taty aoriana vao tonga teny an-toerana ity farany nanao fizahana ny razana ary fantatra fa maty nalentiky ny rano io lehilahy io. Voalaza ihany koa fa tsy mponina eny amin’eny manodidina eny ity olona ity satria tsy nisy nahafantatra azy ireo olona teny an-toerana. Naterina teny amin’ny tranom-paty, eny amin’ny hopitaly Hjra,miandry ny havany ny razana.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre