Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Anaram-piangonana no entin’ilay ramatoa misoloky

Tsy tahotra tsy henatra intsony fa ny anaram-piangonana  sy ny an’ny pasitera indray, any Toamasina, no entin’ny ramatoa iray misoloky. Tsy vitan’izany fa milaza izy ity fa mpiandry mpanala devoly  ka izay no entiny hakana vola amin’ny olona.

Tamin’ny volana septambra lasa teo dia nandalo tao amin’ny trano iray tao amin’ny fokontany Ambolomadinika ity vehivavy ity haka ny hofan-trano fa an’ny vadiny ara-tsoratra masina ny trano, izay nomen’ny fiangonana azy ireo. Gaga ireo mpanofa trano tamin’izay satria miara-monina eo amin’izy ireo ihany ny tompon-trano saingy tsy teo an-toerana fotsiny tamin’ny fandalovan’io ramatoa io. Nasain’izy ireo niverina noho izany ilay misandoka ho tompon-trano fa hoe mbola tsy vonona ny vola.

Tsy nipoitra mihitsy anefa ilay vehivavy raha tsy ny sabotsy lasa teo ary nilaza fa haka hofan-trano amin’izay. Tao an-toerana ny tompon-trano tamin’io andro io ka nasain’ilay mpanofa trano nakany aminy ilay mpisoloky fa hoe samy mpanofa izy ireo. Tsy nahalala na inona na inona ity olona ity ary lasa tokoa nitaky vola teny amin’ilay tena tompon-trano, saingy nasain’ity farany niverina ny alahady hariva fa apetrany amin’ireo zanany ilay hofan-trano.

Niverina tokoa ilay ramatoa sady niaraka tamin’ny taratasy fanamarinana fa azy sy ny vadiny ny trano. Avy dia nakan’ny tompon-trano sefom-pokontany ary nentina tany amin’ny polisy avy eo. Tora-kovitra ilay vehivavy sady nilaza hoe « avelao any izany ary avelao izaho hiala maina fa tsy maninona. » Rehefa nofotorana ity ramatoa ity dia fantatra fa entiny hisolokiana avokoa ireo rehetra ireo ary sandoka ilay taratasy momba ny trano.

Laurena Nany

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre