Ivohibe – Vehivavy maty nokapain’ny vadiny famaky
Nitrangana vono olona mahatsiravina tany Andranomoto, kaominina Tambohobe, distrikan’Ivohibe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Renim-pianakaviana iray 16 taona no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ary nariana teny amoron-dalana avy eo. Ny mpiray monina no nahita ny razana ka nampandre avy hatrany ny sefo fokontany ary avy eo rizareo nampilaza ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fizahana natao no nahalalana fa vono olona nahafaty io tovovavy io satria feno ratra ny vatany.
Nahitana diam-pamaky teny amin’ny lohany ary fantatra tamin’izany fa nokapakapaina famaky izy. Ahiana ho ny vadiny ihany no nahavita nandatsaka ny aina satria tsy hita popoka mantsy ity lehilahy ity. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary ny manodidina no nahafantarana fa miady matetika izy roa vokatry ny tsy fitovian-kevitra ary izao niafara amin’ny famonoana izao. Karohana fatratra io lehilahy hatramin’izao fotoana izao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







