Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ny eo ihany no miverina

Anisan’ny tena nanamarika ireo fifidianana ben’ny tanàna naverina ny fisian’ny hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna. Tsy tako-nafenina mantsy ny fiparitahan’ny biletà tokana izay efa voamarika mialoha. Raha ny filazan’ireo nahita izany dia ireo kandidam-panjakana no tena nanao ity halatra ity. Tsy vao sambany fa efa hatramin’ny fifidianana voalohany ka izay no nampiteraka savorovoro sy ahiahy ka antony namerenana ireo fifidianana ireo. Raha atao bango tokana dia ny teo ihany no niverina fa tsy nisy fanatsarana tamin’ny fikarakarana ireny fifidianana naverina ireny. Manahy ny mpifidy fa hiova araka ny tian’ny sasany hanaovana azy ny voka-pifidianana ary tsy ny safidim-bahoaka akory no hivoaka eo. Izany hoe karazan’ny fihetsiketsehana sy fandaniana andro fotsiny ihany mba hanehoana fa afaka mandray fanapahan-kevitra hentitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna mandritra ny fifidianana no namerenana ny sasantsasany.

Ny tena mampanahy ny maro dia ny hiverenan’io fomba familiviliana ny demokrasia io any amin’ny fifidianana loholona. Iaraha-mahita rahateo fa maro amin’ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana no efa nandray anjara tamin’ireo vaomiera teo aloha izay nahazo fanakianana mafy avy amin’ny vahoaka. Izany hoe ny rafitra no niova fa ny olona ao anatiny ny teo ihany. Mazava ho azy fa tsy hisy fanatsarana firy ny fikarakarana fifidianana fa dia toy ny mahazatra aty amin’ny tany afrikanina ihany. Hala-bato sy fomba fanao tsy mifanaraka amin’ny demokrasia ary ny soatoavin’ny fifidianana no hitranga eo.

Efa niala tsiny sahady ny Ceni fa tsy mahafa-po tanteraka ny rafitra mifehy azy ireo saingy nisy kosa ny fanatsarana kely raha oharina tamin’ny Cenit teo aloha. Izany hoe misy ary betsaka ny hirika ahafahan’ny kandida sy ny an’ny antoko politika mamadimadika sy manodinkodina ny voka-pifidianana. Ny Ceni dia tsy afaka manasazy fa manome toromarika sy fanamarihana fotsiny ary mifarana eo ny andraikiny.

Fetsy ity fitondram-panjakana ity satria any amin’ny resaka fifidianana no ametrahany ny fototra hanamafisany ny sezany. Rehefa mandalo fifidianana mantsy dia toy ny hoe demokratika sy ara-dalàna tsara ny olona mahazo seza ka tsy azo hozongozonina na dia manao ny tsy mety aza.

Fantatry ny rehetra anefa fa amin’ny tany farahidiny toa an’i Madagsikara dia azo atao tsara mihitsy ny manodinkodina ny fifidianana amin’ny alalan’ny fampiasana fomba maro samihafa toy ny fizarana vola sy tombontsoa, ny fampitahorana sy fingampingana samihafa, ary indrindra ny fanaparam-pahefana sy ny fangalaram-bato tsotra izao. Mpifidy vaventy, izany hoe vitsy , rahateo no omena fahefana hifidy ny loholona ka ho mora kokoa ny handrebireby ny maro an’isa amin’izy ireo.

Ny fitondrana no miova, ary ny Repoblika no lasa fahefatra fa ny fomba amam-panao efa nisy hatramin’izay tsy miova mihitsy. Ny eo ihany no miverimberina! Io fomba io anefa no tsy mampandroso ity firenena ity. Tsy inona izany fomba izany fa ny fisisihan’ny olona tsy mamim-bahoaka hitantana eo amin’ny firenena. Rehefa tsy ankatoavin’ny vahoaka ny mpitondra dia tsy mety tafita eny ifotony ny hafatra ka very an-javony ny asa fampandrosoana tiana apetraka.

Tsy raharahian’ny ankamaroan’ny mpitondra anefa izany rehetra izany fa ny azy ireo dia ny seza, sy ny voninahitra ary ny tombontsoa maro samihafa hampanan-karena ao anatin’ny fotoana fohy no laharam-pahamehana.

Ny fitondana rahateo mandalo, saingy ny harena mitoetra ka manao izay ho afany ny mpanao politika rehetra mba hahazoana toerana ahafahana manararaotra sy mitavana ny harem-pirenena. Tsy ny mpanao politika mpanohana ny fitondrana ihany no miady mafy mba ho lasa loholona amin’izao fotoana izao fa ireo mpanohitra sy ireo milaza azy ho tsy miankina ihany koa. Ny fomba fijery politika no tsy mitovy fa ny fitiavan-tenan’izy ireo tsy misy maha samihafa azy. Ny eo ihany no miverina.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre