Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fampandrian-tany any Ambilobe – Dahalo valo sy omby 43 tratran’ny zandary

Tsy tany Atsimo ihany fa nipaka hatrany amin’ny faritra avaratry ny Nosy iny ny hetsika fampandrian-tany natao hisamborana ireo dahalo. Tao anatin’ny folo andro nisian’izany hetsika izany dia dahalo miisa 8 sy omby mananika ny eo amin’ny 43 eo no efa tratran’ny zandary, teo anelanelan’i Ambilobe sy Vohémar.

Nogiazana avy hatrany any amin’ny kaominina Ambilobe ireo biby mandra-piandry izay tompony haka izany miaraka amin’ny taratasy mazava tsara sy manamarina fa azy tokoa ireo omby ireo. Taorian’ny famotorana ireo olon-dratsy kosa indray dia nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy ireo any Antsiranana. Mitohy ny hetsika ataon’ny zandarimaria any an-toerana hamongorana ireo mpanao asa ratsy ireo.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre