Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Mpirahalahy sarona nangalatra môtô

Roa lahy indray no saron’ny polisy tany Toamasina. mpirahalahy izy ireo ary malaza ratsy amin’ny fangalarana môtô. Tamin’ny 11 novambra lasa iny dia naharay fitairanana ireo mpitandro filaminana mahakasika kodiaran-droa very teo an-tokontany, tao amin’ny fokontany “Verrerie”. Taitra ny raim-pianakaviana iray, handeha hamonjy fiasana vao maraina, tokony ho tamin’ny 7ora iny indrindra, raha tsy nahita ny môtô-ny teo amin’ny toerany intsony.

Teo am-panaovana fisafoana toy ny mahazatra anefa ny polisy omaly maraina, no nahita môtô nentina tovolahy iray mitovy amin’ilay voalaza fa nisy nangalatra, teny Bazarikely, ao Morarano. Nosakanan’izy ireo avy hatrany ilay nitondra ny kodiaran-droa ary nanao fisavana ny taratasy. Nilaza fa tsy nitondra ity farany fa adinony any an-trano. Nosamborina avy hatrany ity  tovolahy, niaraka tamin’ny môtô, ary nentina natao famotorana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa nangalarina ilay kodiaran-droa. Araka ny filazany hatrany dia hoe, ny zandriny no mangalatra fa izy manafina ny halatra. Nosamborina ihany koa io zandriny io avy eo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre