Nolavin’ny fokonolona ny fifonany – Mpanolana zazakely namono tena
Tany Sainte Marie no nisehoan’izany ny sabotsy alina lasa teo, tao amin’ny fokontany iray tany an-toerana. Rangahy be iray 60 taona malaza ratsy amin’ny fanolanana zazakely no nanapitra ny ainy rehefa tsy noraisin’ny fokonolona ny fifonany. Araka ny fantatra dia ireo ankizivavy kely manodidina ny 6 taona eo no tena lasibatra ary tsy vitan’izay ihany fa ataony any ambavan’ireo zazakely mihitsy ny filahiany. Teo am-panaovana io fihetsika vetaveta sady mamoafady io indrindra ity lehilahy ity ny sabotsy teo no tra-tehaky ny fokonolona.
Nifona tamin’ireo vahoaka izy avy eo ary nilaza fa hanome vola Ar 600 000 saingy tsy nanaiky ireo vahoaka. Efa saika niharan’ny fitsaraham-bahoaka mihitsy ranamana araka ny loharanom-baovao fa tafaporitsaka. Olona eo an-tanàna ihany izy io ka nihidy tao an-tranony tao mandra-paharivan’ ny andro. Ireo mponina kosa tsy nihetsika manoloana ny trano fonenany teo sady nandrahona ny handoro raha tsy mivoaka ao izy. Naleon’ilay mpanolana noho izany namono tena toy izay niatrika ireo mponina.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







