Sambava – Lohan-jaza nosaritahin’ny alika eran’ny tokontany
Nisahotaka ny iray tanàna tao Amboangibe, any Sambava, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 5ora sy sasany, raha nahita lohan-jaza nosaritahin’ny alika eran’ny tokontany. Vehivavy iray sendra namafa ny tokontaniny no nahita ilay alika nandalo nitondra zavatra hafahafa. Rehefa noroahina ilay biby dia lasa nandeha ka namela ilay zavatra tsy fantatra teo an-toerana. Taitra ilay ramatoa rehefa nijery izany, hay lohan-jazakely. Nampandre ny tompon’andraikitra tao an-tanàna avy hatrany ilay ramatoa ary ireto farany indray nampiantso ny manam-
pahefana niaraka amin’ny mpitsabo hijery izany. Tamin’ny fizahana natao no nahalalana fa lohan-jaza eo anelanelan’ny 3 hatramin’ny 5 taona eo ity nentin’ny alika. Tsy nisy kosa ny nahafantarana ilay zaza satria tsy hita hatramin’ny tarehiny manontolo. Tsy mbola nahenoana fitarainana na filazana momba zaza very ihany koa tany an-toerana hatramin’izao.
Ahiana ho zaza maty nalevin-dreniny izy ity fa marivo loatra ilay lavaka ka noloaran’ny alika tao. Taorian’ny fizahana dia nalevin’ny fokonolona ilay lohan-jaza. Misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







