Miaro ny vahiny sy ny fananany !
Haingana be mihitsy ny fandraisan’ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra ho fanamafisana ny fiarovana ny teratany frantsay monina sy miasa eto Madagasikara. Tonga dia asa avy hatrany fa tsy kabary satria tena hita manerana ny tanàna ireo mpitandro filaminana manao fanaraha-maso sy fisavana na atoandro na alina. Voaporofo tamin’ity hetsika ity fa tena matihanina ary haingam-piasa ny fitondrana rehefa misy ny hamehana. Tsy ratsy akory izany ary maha-te hidera saingy toa misy ihany ny mizana tsindrian’ila satria rehefa ny malagasy no mitaraina dia tsy misy mpihaino. Hatramin’ny nijoroan’ity fitondram-panjakana ity dia saika ho isan’andro no misy olona voaendaka, maty nisy namono, voaolana, nisy nanafika tao an-tranony eto an-drenivohitra nefa tsy mba nandraisana fepetra toy izao. Tsy mbola niteny mihitsy ny mpitondra eto amintsika hoe hamafisina ny fiambenana sy ny fiarovana ny malagasy sy ny fananany. Rehefa vahiny anefa dia kinga ary tsy mitavozavoza amin’ny fandraisana andraikitra. Efa niaraha-nahita ny famoahana zandary an-jatony hiaro ny karana sy ny fananany. Izao indray dia raikitra ny hetsika fiarovana frantsay. Tena zon’ireny vahiny monina sy miasa eto amintsika ireny mihitsy ny arovana ary tsy ataon’ny mpitondra Fanjakana ambanin-javatra izany.
Mipetraka ihany ny fanontaniana eny am-bavan’ny vahoaka hoe fa maninona no tsy atao toy izao ny mandavan-taona ny fitandroana ny filaminana amin’izay mba tsy mandry andriran’antsy intsony ny vahoaka. Toa manana mpitandro filaminana ihany isika rehefa hiaro ny vahiny, ary mahita solika sy fitaovana ampiasaina amin’izany. Toa afaka mandray fepetra hanaraha-maso ireo vahiny tsy ara-dalàna mivezivezy ihany rehefa injay ka lasa loza manambana ho an’ny frantsay ireny. Rehefa ny malagasy anefa no mitaraina tsy misy mpihaino.
Tsy mahagaga raha mirehareha sy manambany malagasy ireo vahiny eto amintsika satria ny tompony aza tsy tia. Ny Fanjakana tsy mba miaro ny malagasy izany rehefa misy fifandirana amin’ny vahiny. Sahy manambany sy misetrasetra izy ireo satria afaka hatrany rehefa tonga eny anivon’ny fitsarana. Niaraha-nahita sy azo sary izao ireo vazaha lahy nikasi-tanana olona teny Analakely efa volana maromaro izay. Tsy nisy tohiny ny raharaha saingy inoana fa tsy any am-ponja intsony ireny jiolahim-boto ireny amin’izao fotoana izao.
Io tranga io no mahatonga ny vahoaka mihevitra fa lasa miaro ny vahiny sy ny fananany ny fitondram-panjakana ary tsy manisy lanjany ny malagasy. Saro-piaro ny malagasy amin’ny tranga toy izany satria ny raiamandreny tokony hiaro no lasa manome vahana kokoa ny fiahiana ny hafa. Tsy misy mitaky ny tsy hiarovana ny vahiny saingy kosa mila ampitoviana ny zo arovana eo amin’ny olona rehetra eto Madagasikara na vazaha na malagasy. Efa tsy halohalika intsony ranom-bary raha ity resaka tsy fandriampahalemana ity fa efa an-tenda mihitsy. Mihatra aman’aina ny fanafihan-jiolahy sy ny asa fanendahana nefa tsy mandray fepetra hentitra hanafoanana izany ny mpitondra. Azo atao tsara ny mandray fanapahan-kevitra fandrarana ny fivezivezena amin’ny alina mba hanamaivanana ny fisavana ireo rehetra taraiky eny an-dalana aorian’ny amin’ny 9 ora alina. Azo atao ihany koa ny manome fitaovam-piadiana ireo polisy rehetra misahana ny fifamoivoizana satria mialohan’ny fandrindrana ny fiarakodia dia mpitandro filaminana vita fiofanana hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireny. Azo atao tsara ny mamerina ny filaminana eto an-drenivohitra raha misy ny finiavana avy amin’ny fitondram-panjakana. Raha ampitovian’izy ireo amin’ny frantsay ny zon’ny malagasy ho arovana dia mivaha ho azy ity olan’ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-piadiana ity.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







