Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambohimahasoa – Jiolahy iray lavon’ny zandary

Jiolahy iray efa raindahiny amin’ny resaka fanafihana sy fandrobana fananan’nolona no maty tsy tra-drano lavon’ny balan’ny zandary, tany Ambohimasoa, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Tra-tehaky ny fokonolona teo am-pangalarana tao amin’ny tanana’Ambohipihaonatsoa io lehilahy io ka nentin’ny mponina namonjy ny biraon’ny mpitandro filaminana. Teny an-dàlana indrindra anefa, nitsaoka ity jiolahy ity ka tazan’ireo mpitandro filaminana izany. Nanao tifi-danitra izy ireo mba ampijanonana azy fa vao mainka nirifatra nandositra ilay olon-dratsy ka voatery nitifitra azy ireo zandary.

Vokatry ny fahaverezan-drà be loatra dia maty teo no ho eo ilay mpangalatra. Araka ny fanampim-baovao voaray hatrany dia mahazo vahana tanteraka ny asan-dahalo any an-toerana amin’izao fotoana izao. Fantatra hatrany fa ataon’ny dahalo hazalambo ny omby sy ny akoho amam-borona any ambanivohitra raha toa ka ny vaky trano sy hala-botry no mirongatra an-tanan-dehibe. Tsy latsaky ny efatra isan-kerinandro ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana any an-toerana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre