Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Môtô nidona tamin’ny omby – Naratra mafy ilay lehilahy mpamily

Vokatry ny fifandonana mafy be teo amin’ny kodiaran-droa sy omby iray niampita tampoka ny lalana dia naratra mafy ilay lehilahy namily izany ary ilay omby kosa maty tsy tra-drano. Ny alatsinainy tolakandro no nitrangan’izany, tao amin’ny tanànan’Ambalavao, kaominina Manakambahiny Andrefana, tany amin’ny lalam-pirenena Rn44. Saika hihazo ny tanànan’i Vohidiala ity môtô ity izao tra-doza izao. Nentina haingana tao amin’ny toeram-pitsaboana any an-toerana ilay naratra.

Araka ny vaovao voaray dia mila fitandremana ny familiana fiara na môtô ao amin’iny Rn44 iny satria tsy sambany izao no nisy lozam-pifamoivoizana noho ny fisian’ireo omby asesin’ny olona eny an-dalam-be izay mety hitera-doza. Eo ihany koa ireo omby mivoaka tampoka avy any anelakelan-trano izay mihazo ny lalam-be ka manapaka tampoka, izay mety hahatonga ny loza.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre