Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

2017 – Hiova ny rafi-pampianarana eto Madagasikara

Notanterahana omaly, alarobia 18 novambra, teny amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, « ny Dinam-pirenena ho an’ny fanabeazana », izay natao nandinihana indrindra ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny tontolon’ny fanabeazana eo amin’ny lafiny mpampianatra, ny fitantanana, ny fandaharan’asa ary ny fandraisana amin’ny filan’ny firenena vokatry ny fampianarana eto Madagasikara.

Zo tsy azo ivalozana sy tsy manam-petra ho an’ny zaza malagasy tsirairay avy ny hahazo fanabeazana izay voafaritry ny fifanarahana iraisam-pirenena maro nankatoavin’i Madagasikara, ary ankatoavina sy iantohan’ny Lalàmpanorenan’ny repoblika fahefatra. Hisy ny fanovana ny rafitry ny fampianarana hanomboka ny taona 2017, tafiditra ao anatin’izany ny teny ampiasaina rehefa mampianatra. « Iaraha-mahalala fa ny teny entina mampianatra eto amin’ny Nosy dia teny frantsay kanefa betsaka ireo mpampianatra any ambanivohitra lavitra tsy mahafehy  izany teny izany », hoy minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Paul Rabary. Eo ihany koa ny taranja tokony tsoahana sy ampiana, izay tsy ny ministera no manapaka izany fa iarahana amin’ny dinam-pirenena ho an’ny fanabeazana ka hisy ny fangalana hevitra sy fametrahana ady hevitra, ka ny manantanteraka ihany ny an’ny ministera.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre