Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Boeny – Ringan’ireo mpifindra monina ny ala

Amin’izao fotoana izao dia miatrika ny fiombon’ny olana ara-tontolo iainana i Madagasikara, izay ateraky ny fanapahana ny ala. Fantatra fa ny Faritra Boeny no laharana voalohany amin’ny fandringanana ala eto amin’ny Nosy satria very 400 ha hatramin’ny 600 ha ala isan-taona ity faritra ity. Ny fikarohana nataon’ny fikambanana Komanga, niarahana tamin’ny fiarahamonim-pirenena eo amin’ny sehatra ny tontolo iainana, teo amin’ny fandraisana anjara ny Actifs sy Giz, no nahafantarana fa ireo mpifindra monina any an-toerana, indrindra ao amin’ny kaominina Anjijia no tena mahatonga izany.

Araka ny tatitra voaray avy tamin’ny filohan’ny Kofimanga, Rafaofera Mamisoa, olona 200 isan-kerinandro no tonga ao amin’io kaominina io ka ny 80 isan-jato amin’ireo terak’i Toliara ary mpifindra monina an-tsokosoko. Manoloana izany indrindra nanantanteraka atrikasa teny amin’ny Institut d’études politique (IEP) mba hitadiavana vahaolana haingana sy maharitra  ary azo ampiharina avy hatrany ny fikambanana Kofimanga. « Raha faritra maitso iny Avaratra Andrefana iny teo aloha dia efa lasa faritra volom-boasary izy amin’izao ary kely sisa ho lasa mena, raha mitohy izao fandripahana ala izao ary tsy haharitra 10 taona akory izany », hoy hatrany ny filohan’ny Kofimanga.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre