Namontana – Tranombarotra 19 no indray kilan’ny afo
Tsena marobe miisa 19 no indray nolalaovin’ny afo teny Namontana, omaly tamin’ny 1ora sy 10 minitra maraina tany ho any. Avy tamin’ny « gargote » iray teny an-toerana niandohan’ny afo. Tsy voafaritra mazava kosa na avy amin’ny vain’afo na labozia no nahatonga izany. Nalaky niampita ihany koa ny lelafo noho ireo trano ireo vita amin’ny hazo ary nisy tamin’ireo entam-barotra tao no kila tsy nisy noraisina.
Mitentina an-tapitrisany ny tombam-bidin’ireo fitaovana sy entana levon’ny afo. « Tsy nisy nahita ny fiandohan’ny afo izahay fa ny lelafo efa niredareda no nifamonjena teto. Niezaka ihany ny fokonolona namono ny izany fa sahirana tamin’ny rano, indrindra tamin’ny fitaterana izany noho ny tsy fahampianan’ny fitaovana », hoy Rafidimanana, mponina manamorina ireo tsena eny Namontana.
Noho ny fitsokan’ny rivotra mafy loatra dia tena nanano sarotra ny fokonolona sy ny mpamonjy voina ny namono ny afo. Ora iray mahery taorian’ny firehetana no voafehy tanteraka izany. Manahy ireo mpivarotra fa haintrano niniana natao izy io. « Tsy fantatray izay tena fototry ny afo fa mino izahay fa sotasota no nanaovana izao ary efa nametraka fitoriana manenjika olona tsy fantatra any amin’ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy izahay ary miandry izay vokatr’izany », hoy ireo mpivarotra niharan’ny haintrano. Misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







