Vous êtes ici :

Dimanche 08 Février 2026

ombre

Tsy misy vahaolana !

Mbola mitana ny lohalaharana amin’ny fahasahiranan’ny fiainan’ny mponina andavanandro ny olana ateraky ny tsy fahalavorarian’ny asan’ny Jirama eo amin’ny fitsinjarana jiro sy rano. Na dia efa nolazaina aza fa tsy hisy intsony ny delestazy dia mbola misy hatrany ny fahatapahan’ny jiro sy rano matetika. Tsy delestazy hono ireny fa fahatapahana madinika hoy ny fanazavana ara-teknika. Na inona na inona filaza azy dia mitovy avokoa rehefa tapaka ny jiro.Tsy afaka mampiasa fitaovana mandeha amin’ny herinaratra ny mpanjifa ary miaina ao anatin’ny aizina ny mponina amin’ny faritra sasany. Tsy mahagaga raha raikitra ny korontana teny Ambolonkandrina satria tena efa fanaovana tsinontsinona ny vahoaka mihitsy ity fanapahan-jiro tsy misy fampandrenesana ity. Tsy ny jiro ihany fa ny rano ihany koa dia tapaka matetika tato ho ato. Asa fanamboarana no lazaina fa anton’izany nefa vao mainka toa manahirana ny mponina ny zava-misy. Rehefa zohina anefa dia tsy fahaiza-miasa sy olana ao anatin’ny Jirama no tena mahatonga ny fikorontanana amin’ny famatsiana jiro sy rano. Tena mila fanavaozana goavana ny fomba fiasa sy ny mpiasa raha tena te hahita vokatra mazava amin’ny fanatsarana ny tolotra ity orinasam-panjakana ity. Misy olona efa tena tsy mahavita ny asa tandrify azy intsony. Toy izany ohatra ny ramatoa lehibe iray mpandray ny mpanjifa mitondra fitarainana na mangataka fanazavana amin’ny masoivohon’ny Jirama iray eto an-drenivohitra. Sady mihinana mofo baolina ity ramatoa ity no miantso an-tariby ary manaka-dresaka amin’ny mpiasa hafa nefa misy mpanjifa mijoro miresaka aminy eo. Mitady ny fomba rehetra tsy hamaliana ny fanontaniana apetraka aminy noho ny fahadisoan’ny kaonty eo amin’ny faktiora ary avy eo alefany miakatra any  ambony rihana, any amin’ny varavarana izay tsy misy mpiasa akory, ilay mpanjifa. Marobe ny olona efa niharan’izany ary mitaraina nefa toa tsy fantatry ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Jirama izay fepetra tokony ho raisina. Santionany io fa tena manondrana toy izany avokoa ny ankamaroan’ny mpiasan’ny Jirama.

Eny Andravoahangy ambony izao dia misy arabe iray novakiana satria namboarina ny fantsona tao ambany lalana tao. Rehefa vita ny asa dia nataon’ny mpiasan’ny Jirama kitoatoa ny famerenana amin’ny laoniny ny lalana nopotehiny ary navelan’izy ireo teo avokoa ny fasika sy ny tany rehetra avy nampiasainy. Vokany dia môtô miisa hatramin’ny 5 isan’andro no mitrosona eo amin’io lalana io satria malama loatra. Tsy mahalala mantsy ireo mpitaingina skotera fa nasian’ny mpiasan’ny Jirama fasika be ny lalana ka rehefa mitrosona vao tonga saina. Mitaraina ny mponina eny amin’ny manodidina ary mangataka ny mba anesoran’ny Jirama ireo fasika be naparitany eny amin’ny lalana satria mety hitera-doza mahatsiravina raha izao no mitohy.

Ny faritra hafa manodidina ny renivohitra ihany koa dia mitaraina amin’ny fahatapahan’ny famatsiana rano. Misy hatrany fanazavana ara-teknika avy amin’ny Jirama izay milaza fa tsy mba diso mihitsy izy ireo na kely aza.

Diso tetika ihany ny fitondram-panjakana raha mifantoka amin’ny fanovana tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Jirama no fanapahan-kevitra raisina entina ampandrosoana ity orinasa ity. Ireo mpiasa tsotra sy tompon’andraikitra antenatenany mihitsy no mila fanadiovana sy fanavaozana satria maro loatra ny mpanao ala safay ny asa. Iaraha-mahita ohatra ny filaharam-be amin’ny fandoavana faktiora satria vitsy kely ny mpandray vola miasa nefa hita izao fa misy toerana maromaro tokony hisy olona hiasa ao anaty biraon’ny Jirama. Lasa ny samy mpanjifa no rafitra ady satria sady efa sorenan’ny vidin-jiro lafo be tsy misy fanazavana no mbola milahatra ela be ihany koa. Misy rahateo ireo fetsifetsy tsy te hitovy amin’ny sarababem-bahoaka ka mitady hevitra tsy hilaharana. Tsy ny milina ihany no efa lany daty ao amin’ny Jirama fa ny fomba fiasa mihitsy. Dia gaga sy mampiaka-peo ireo mpiasa rehefa omena ny orinasa tsy miankina ny fitantanana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre