Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ranon’Ikopa – Tovolahy 25 taona hita faty

Tovolahy iray manodidina ny 25 taona no hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa ny alarobia hariva, tamin’ny 4ora sy sasany, teny amin’ny tetezan’Ampasika. Tamin’ny fahitana ny razana dia nianjera avy eny ambony tetezana ity lehilahy ity ary notatazan’ny vato be tao ambany tao ka maty avy eo.

Nidina teny an-toerana ny zandary sy ny mpamonjy voina niaraka tamin’ny mpitsabo nampiakatra ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy. Araka ny fanambaran’ny manodidina dia nisotrosotro izy no hitan’izy ireo farany. Mety mamo noho izany ilay tovolahy ka nianjera avy ambony tetezana nandalo izany raha hamonjy fodiana. Natolotra ny havany ny razana taorian’ny fizahanan’ny mpitsabo.

Tao anatin’ny herinandro monja izao dia olona roa no efa navalan’ny ranon’Ikopa. Raha tsiahivina dia rangahy iray 50 taona tany ho any no hita faty manodidina ny Ankadimbahoaka iny, ny faran’ny herinandro teo. Sendra nilomana izy no navadiky ny rano tamin’izay satria hita teo amoron-drano, tsy lavitra ny razana, ny fitafiany.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre