Mahabo – Dahalo iray maty voatifitry ny zandary
Nirefodrefotra ny basy. Raikitra indray ny fifandonana teo amin’ny zandary sy dahalo tany amin’ny distrikan’i Mahabo, kaominina Mandabe, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nanafika valan’omby iray tany an-toerana ny dahalo miisa 18 nirongo basy tamin’izany fotoana izany ka lasa ny biby 25.
Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo fokonolona ka nanao ny fanarahan-dia izy ireo. Rehefa nandeha ora maromaro ireto mpanara-dia dia nifanehitra tao amin’ny kizon’Andaka-Tomena. Nisy ny fifampitifirana izay naharitra roapolo minitra tany ho any, izay nahafatesana dahalo iray.
Tsy nampihemotra ireo olon-dratsy anefa ny fahalavon’ny naman’izy ireo fa voa maika aza nanosika azy ireo hanohitra. Ireo mpanara-dia indray avy eo no nihemotra teo anatrehan’ireo dahalo izay nahatonga ny faharatrana teo amin’ny zandary iray sy sivily iray. Tsy nisy tafaverina tamin’ny tompony noho izany ireo omby nangalarina.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







