Fiofanana ho mpitsara – Namoaka mpianatra 35 ny ENMG
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 13 novambra 2015 teo ny fiofanana nataon’ireo mpianatra ho mpitsara miisa 35 avy ao amin’ny sekoly ambony mampiofana mpitsara sy mpiraki-draharaha na ENMG tao amin’ny zandarimariam-pirenena. Nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpianatra sy ireo zandary nanome fiofanana mba hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nivoitra nandritra izany fa ny tsy fahampian’ny fitaovana no tena olona sedrain’ireo zandary mpanao famotorana eo amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany. Maro ihany koa ireo olana ary nitondran’ireo mpianatra vahaolana momba izany, toy ny fanatsarana ny « chambre de sûreté », ao ihany koa ny tokony hijerena manokana ny « indemnité des OPJ » satria mbola amin’ny tahany ambany dia ambany izany, ary tsy mifanaraka amin’ny asa sahanin’izy ireo.
Nofaranana tamin’ny fizarana « certificat » ny fotoana. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izao lanonana izao ny Jeneraly Rasolofo Lumène, « chef d’état major de la gendarmerie nationale » izay nisolo tena ny jeneraly kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ireo manamboninahitra jeneraly, manamboninahitra ambony, ary manamboninahitra lefitra maro.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







