« Brevet de spécialité n°1 » – Zandary 40 mirahalahy nozarana mari-pahaizana
Zandary 40 mirahalahy no nahazo « brevet de spécialité n°1 » momba ny fifandraisan-davitra, andiany faha-enina, tao amin’ny toby Ratsimandrava, ny fiandohan’ny faran’ny herinandro lasa teo. Marihina fa ho alefa hiasa manerana ny Nosy izy ireto.
Naharitra enim-bolana ny faharetan’ny fiofanana izay nanomboka ny 27 aprily 2015. Tanjona ny mba hahalasa “gradés” manam-pahaizana manokana momba ny fampitàna ireo “message radio” amin’ny alalan’ny fitaovana manaraka ny teknolojia amin’izao fotoana izao. Afaka miasa avy hatrany izy ireo ary tompon’andraikitra avy hatrany amin’ireo toerana izay hanendrena azy.
Tonga nanome voninahitra izao lanona izao ny jeneraly Rakoto François Rodin, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ireo manamboninahitra jeneraly, manamboninahitra ambony, manamboninahitra lefitra ary ireo mpiasa sivily maro. Ka notsindrian’Atoa kaomandin’ny zandarimariam-pirenena nandritra ny lahateny izay nataony fa mitodika amin’ireo zandary avokoa ny mason’ireo vahoaka sy ny mpitondra fanjakana noho ireo tranga marobe izay iaraha-mahafantatra. Noho izany dia hentitra izy amin’ny fanarahana ny fitsipaka mifehy, indrindra amin’ny fanatanterahana ny asa. Satria izany no maha-miaramila ny miaramila, ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na aiza na aiza toerana iasany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







