Fianarantsoa – Mompera voasolan’ny afrikanina vola an-tapitrisa
Tsy mifidy olona ho solokiana intsony ireo olon-dratsy. Raiamandreny ara-panahy tao Fianarantsoa no voatafitaky ny tovolahy niaraka tamin’ny anabaviny izay samy teratany afrikanina ka nahazoany vola an-tapitrasa mihitsy.
Avy any Congo no fiavian’ireto mpisoloky ireto. Mbola tsy fantatra mazava kosa izay tena anton-diany teto Madagasikara fa teo am-panaovana izao asa fisolokiana izao no nahatratrarana azy ireo. Ny alatsinainy lasa teo no nigadona tany Fianarantsoa izy mianadahy ireo ary nivantana avy hatrany tao amin’ny tranon-dry mompera fa hoe tsy manana na inona na inona ary tsy manam-bola hivantanana any trano fandraisam-bahiny. Nihantra azy ireo ny pretra iray ka nanome vola valo hetsy ariary. Tsy nijanona teo anefa fa mbola niverina tamin’ilay mompera indray nangataka vola 2 tapitrisa ariary fa tsy maintsy maka entana aty an-drenivohitra. Nanambara fa tsy manana io vola io ilay mpitondra fivavahana fa ny ampahany ihany no afaka omena hanampiana an’ireto afrikanina ireto.
Nitohy ihany ny fikafikan’izy ireo hakana vola amin’ilay pretra ka nahatonga saina ity farany. Nilaza nanana vola vahiny “euros” ireo mpisoloky saingy mbola diovina amin’ny akora voatokana vao afaka ampiasaina ka mila vola noho izany. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy avy hatrany ilay voasoloky, dia natao ny fikarohana azy mianadahy ka tratra izy ireo ary efa niaiky ny heloka vitany. Natolotra ny fitsarana ny alarobia teo ny raharaha.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







