Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tsy misy mangarahara!

Mbola resa-be sy ady hevitra eny anivon’ny fiaraha-monina ny tsy maha- eto an-toerana ny Filoha sy ny Praiminisitra. Ny iray voalaza fa nitsabo tena any Frantsa, ary ny iray kosa lasa any Italie izay tsy fantatra mazava izay tena anton-diany satria tsy nisy fanazavana ofisialy sy serasera mahakasika izany mba nalefa nampahafantarina ny vahoaka. Lasa honohono sisa ny zava-misy ary na ny mpanao gazety aza sahirana maka vaovao satria tena manafina be ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tapaka lalan-dra ny praiminisitra! Io no voalaza fa antony nandefasana azy hitsabo tena any Frantsa. Tena manaitra izany ary tsy mampino satria aretina anisan’ny tena mampivarahontsana ny malagasy. Lehiben’ny andrim-panjakana ary mpitarika ny governemanta no manana olana ara-pahasalamana nefa tsy mba nisy mihitsy fampahafantarana ofisialy izany fa dia ny mpanao gazety manao fanadihadiana no miezaka mitatitra izay vaovao kely azo ho fantatry ny vahoaka. Toy izany ihany koa ny fitsidihan’ny filoham-pirenena any ivelany. Tsy misy firy ny vaovao fa dia mangingina any. Maro amin’ny vahoaka no manontany hoe mba nitsidika nampahery ny praiminisitra izay tsy salama ve ny filoha amin’izy mirahalahy samy any ivelany izao. Mba nitsidika ireo malagasy monina any Eoropa, indrindra any Paris izay anjakan’ny fifampitifirana ve ny mpitondra malagasy?

Fanontaniana tsotra, miendrika fanontanian-jaza izany, nefa tena mahafehy ny zava-misy tian’ny vahoaka malagasy ho fantatra. Resa-be ambony latabatra fotsiny ny mangaraharaha eto amintsika fa raha ny zava-misy dia ny ankiafinafina no tena kapoakan’ny mpitondra Fanjakana. Mivoaka amim-pahanginana ary miditra tsy misy mpahalala. Toy ny hoe misy zavatra afempenina any ambadika any ka miezaka ny mandositra mpanao gazety be fanontaniana sao hiteniteny foana eo ka hiseho ny anfenina. Tsy mahatapaka ahitra ny mpitondra malagasy raha vao anontaniana raharaha goavana mahakasika ny fiandrianam-pirenena. Ny nosy eparsa izao dia tsy misy sahy miteny ny mpitondra Fanjakana fa an’ny malagasy ireo. Tsy nisy na iray aza manam-pahefana sahy nilaza fa nandainga ny ambasadaoro frantsay izay nitonona fa azy ny nosy eparasa. Nampiaka-peo anefa ny mpitondra raha vao nandre an-dRavalomanana niteny fa azy ny tany eo Andohatapenaka. Nilaza mihitsy ny minisitra iray fa an’ny Fanjakana ny tany eo Andohatapenaka fa tsy an-dRavalomanana. Mahagaga anefa fa tsy sahy niteny hoe an’ny malagasy ny eparsa fa tsy an’ny frantsay.

Nirongatra be ihany koa tato ho ato ny resaka fanondranana sy fivarotana andramena any Shina. Mangina tsy miloa-bava ny fitondram-panjakana manoloana izany. Tsy misy mihitsy fanazavana ofisialy omen’izy ireo fa dia mifitsaka any ambadika any. Toa ny sinoa indray no omena tsiny rehefa mandray ireo andramena varo-boba nefa tsy mahagaga izany satria harena adala tompo, angalatra aza atao koa mainka fa misy manatitra any aminy ny hazo sarobidy. Vao tsy ela ihany koa no niteraka savorovoro ny resaka fifidianana tany Sakaraha. Efa fantatra ny voka-pifidianana vao milaza ny Fanjakana fa efa nisy didy hafa nivoaka milaza fa tsy tokony natao ilay fifidianana. Maneho ny tsy fisian’ny mangaraharaha ihany koa io toe-javatra iray io satria tsy nampahafantarina ara-potoana ny didim-pitsarana nefa azo natao tsara mihitsy izany sady efa misy ny teknolojian’ny fifandraisana.

Mbola aretina iray lehibe mila fanasitrana amin’ny fomba fitantanana ny firenena eto amintsika ity tsy fisian’ny mangaraharaha ity satria tsarain’ny vahoaka ho misy tetika ambadika sy fitapitaka hatrany. Io antony io no mahatonga ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Maro tsy vita ho tanisaina ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka manoloana ireo kabary tsara lahatra tsy misy fanatanterahana izay ataon’ny mpitondra Fanjakana. Tsy misy rahateo ny fanazavana mangarahara mikasika ny zava-misy.

 

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre