Farafangana – Zazavavy 12 taona novonoina rehefa avy naolana
Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tany Maropanahy, ao amin’ny kaominina Farafangana, ny alarobia 18 novambra lasa teo. Zazavavy 12 taona no nisy namono tamin’ny fomba feno herisetra rehefa avy naolana tany amin’ny toerana voalaza etsy ambony. Nirahina natsaka rano tany amin’ny toerana antsoina hoe Ampantsakana ity ankizy vavy ity kinanjo tsy niverina intsony ny harivan’io alarobia io. Tsy naharitra ireo havany sy ny olona teo an-tanàna ka lasa nitady azy tany amin’ilay toerana, kanjo ireo « bidon » fasiana rano sisa no teo.
Nanahy amin’ny mety hisian’ny zavatra hafahafa dia nampandre ny mpitandro filaminana ny fianakaviany satria tsy fanaony mihitsy io mandeha matsaka tsy miverina io. Natao ny fikarohana ka ny ampitson’io vao maraina be no hita ny vatana mangatsiaka an’ity zazavavy kely efa mihoson-drà tao anaty ala-dravinala, izay 500 metatra miala ny tanàna. Mbola nahitana dian’antsy ihany koa eran’ny vatany. Efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay na ireo nahavanon-doza.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







