Fiotazana letisy – Voalohany amin’ny kalitao ny Sodiat Export
Miavaka tanteraka amin’ireo orinasa miisa 33 mpanangona sy mpanondrana letisy ny orinasa Sodiat Export amin’izao fisokafan’ny taom-piotazana 2015 izao.Ny fanatsarana ny kalitaon’ireo voankazo aondrana, ny fanajana ny fahadiovana ara-pahasalamana eo amin’ny toerana iasana, ary ny fikajiana ny tontolo iainana no tena mampisongadina azy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny orinasa, Andrianasolo José, fa « Ara-pahasalamana tanteraka ny fomba fikirakirana ny letisy noho ny fahaiza-mandamina ny fandaharan’asa eo amin’ny mpiasa », Manana mpitsabo manokana mihitsy natao hanara-maso ny fahasalaman’ireo rehetra miasa sy mivezivezy eo amin’ny toby fanangonam-bokatra ity orinasa ity. Mampiasa olona hatramin’ny 3000 isa ny Sodiat Export amin’izao taom-piotazana izao ary misy ihany koa ny mpanatitra vokatra letisy miisa 140 miara-miasa aminy ao amin’ny toby Analamalotra. Tsara ny kalitaon’ny vokatra ary manondrana any Dubaï ny orinasa. Ary manana anjara betsaka amin’ireo letisia milanja 18 000 taonina aondrana maneran-tany ihany koa. Marihina fa nisokatra ny 19 novambra teo ny taom-piotazana letisy ka efa tomefy olona any amin’ny faritra Atsinanana amin’izao fotoana izao. Mifanaretsaka ny mpamokatra sy mpanangom-bokatra ary ireo mpitatitra. Tany an-toerana ihany koa ny minisitryny Varotra ary nametraka sakana fanaraha-maso ny taratasy fahazoan-dalana ampiasain’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ity varotra iray ity.
Radôm
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







