Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fividianana volamena tsy ara-dalàna – Olona 11 indray voasambotra

Olona miisa 11 indray no nosamborin’ny polisy, ny alakamisy maraina teo, teny Analakely, nandritra ny « hetsika mpidiy volamena ». Ny fito lahy tamin’izy ireo dia voasambotra teo amin’ny manodidina ny Lapan’ny tanàna ary efa-dahy kosa manoloana ny sekoly EPP. Misy amin’izy ireo tsy sambany no voasambotra fa efa matetika nandalo famotorana tao amin’ny boriborintany voalohany noho io fividianana volamena tsy ara-dalàna io hatrany. Misy amin’izy ireo ihany koa no mpividy volamena sady mpividy entana halatra eny an-toerana. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nahalalana fa manome « régime » na vola ireo mpanendaka ireo mpividy volamena ny maraina ka rehefa mahazo dia any amin’izy ireo ihany no amidy. Natolotra ny fitsarana omaly izy 11 mirahalahy.

L.N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre