Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Manakara – Lehilahy nipotsaka ati-doha

Lehilahy iray no maty tsy tra-drano rehefa nitsoraka tao ambany fiara nandeha, tany an-tampon- tanànan’i Manakara, manakaiky ny tsena, ny zoma atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora mahery tany ho any. Tsy nisy nanam-po ny loza na ny mpamily ilay fiara, na ny fianakavian’ity namoy ny ainy ity fa tampoka, tao anatin’ny segondra vitsy monja no nisehoan’izany.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, nandalo ny fiara iray nirimorimo, poa toy izay efa any ambany fiara nohosihosen’ny kodiarana ilay lehilahy vao tazana. Nahatsiravina ny loza fa nipotsaka hatramin’ny ati-dohany. Fantatra moa fa tsy dia salama saina izy io, ary matetika no tsy dia tompon’ny tenany loatra ka ahiana izay no nahatonga azy namono tena. Na dia izany aza anefa, tsy mba fanaony ny tahaka izao, araka ny filazan’ny fianakaviany. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo nanao fizahana ny razana. Ary natolotra ny fianakaviany avy eo.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre