Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Sinto-mahery – Roa lahy saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy roa malaza ratsy amin’ny fanaovana sinto-mahery amin’iny faritra Analakely iny no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny alakamisy teo, rehefa tratra teo am-pisintonana finday- n’ny teratany Sinoa iray, teny Soarano. Nifanenjehan’ny mponina teny an-toerana izy roa lahy ireo ka tsy lasa lavitra dia tratra. Nitangoronan’ny fokonolona ireto olon-dratsy ary  efa nisy nikasy tanana azy ireo mihitsy no nandalo tampoka ny polisy mpanao ny hetsika « pickpocket » ka nanala ireo mpanao sinto-mahery teo amin’ny ireo mponina tezitra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana izy roalahy ary nentina atao famotorana ka teo no nahalalana fa efa ela izy ireo no nanao izao asa ratsy izao saingy izay vao tratra.

Lehilahy 48 taona mpanao sinto-mahery iray hafa koa no tratran’ny polisy mpanao fisafoana, teo am-pangalarana kavina volamena an’ny ramatoa iray, teny amin’ny 67 ha, ny alarobia tokony tamin’ny 6 ora hariva. Nikikiaka niantso vonjy nanaraka azy avy ato aoriana ilay lasibatra no nandalo tampoka ireo mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny ilay mpangalatra. Mbola tratra teny aminy ilay kavina ary naverina tamin’ ny tompony fa izy kosa nosamborina avy hatrany. Saika amidiny eny Analakely ilay volamena araka ny filazany.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre