Fanatsarana ny fampianarana – Nozarana « kits scolaires » ireo talem-pampianatra
Notanterahana ny alakamisy teo, teny amin’ny Banky iraisampirenena, eny Anosy, ny fanamafisam-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Paul Rabary sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanaraha-maso ny antsan-dalana amin’ny fandaharanasa « Pauet » (Programme d’appui d’urgence à l’éducation pour tous), izay tena nahazoana vokatra mahavelom-bolo tokoa. Fandaharanasa novatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mitentina 85,4 tapitrisa dolara ho fanatsarana ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra, ka anjaran’ny Pauet no mandray ireo « Dren » 12 ary tafiditra ao anatin’izany ny fizarana « kits scolaires » 1 982 305 ho an’ireo talem-pampianatra ho fanampiana ireo mpianatra mba hampazoto azy ireo hianatra.
Ny kilasy Cp1 ka hatramin’ny ny Cm2 any amin’ny « Dren » Ihorombe, ny « Cisco » Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Mahanoro, Analalava, Antsohihy, Bealanana ary Befandriana Avaratra no efa nahazo ny anjara fitaovam-pianarana nanomboka ny taom-pianarana 2015-2016. Mbola tafiditra ao anatin’io fandaharanasa io ihany koa ny fampiofanana ireo mpampianatra, 2 800 amin’izany dia talen’ny « EPP » ary ny 20 000 kosa dia mpampianatra Fram, izay ho tanterahina mandritra ny fialan-tsasatra lehibe andiany faharoa.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







