Fanomezan-drà – Hanampiana ireo mpiara-belona
Mitohy ny fanentanana ataon’ny Cnaps eny anivon’ny orinasa mba ahafahan’ny mpiasa tsirairay misitraka ny zony. Ankoatra izany, ny herinandro lasa teo dia niara-nisalahy ireo fianakaviam-ben’ny Tahirim-pirenena izay notarihin’i Raoul Arizaka Rabekoto, tale jeneralin’ny Cnaps, nanome rà ho an’ny mpiray tanindrazana aminy. Tetsy amin’ny trano fiasan’izy ireo tetsy amin’ny ivotoerana ara-pahasalamana tetsy Ampefiloha no nanaovana ity asa fanasoavana ity. Tanjona ny hanampiana ireo marary tsaboina sy didiana etsy amin’ny Hjra toy ireo olona niharan-doza tampoka, ny mararin’ny homamiadana ary indrindra ireo vehivavy miteraka izay mila famonjena amin’ny rà etsy amin’ny Sainte-Fleur.
« Izay manome rà rahateo manome aina » hoy ireo mpiasa ka ho famonjena ny malagasy izay tsy ampy rà sady adidy amin’ny maha-olom-pirenena malagasy amin’ny lafiny ara-pahasalamana no nanentanana ireo mpiasan’ny Tahirim-pirenena hanome rà maimaim-poana. Mahatratra an-jatony mahery ireo mpiasa nanome rà. Nialoha ny fanomezan-drà dia nohazavaina tamin’ireto farany ny fomba atao alohan’ny hakana rà toy ny tsy fahazoana misotro alikaola, tsy fahazoana misakafo ary olona salama tsara feno 18 hatramin’ny 60 taona.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







