Tontolo ambanivohitra – Mbola betsaka ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra
Be dia be ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, izay isan’ny vato misakana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Manoloana izany indrindra dia namoaka mpampianatra miisa 14 avy amin’ny faritra 14 ny fikambanana « Madagascar tourisme rural », fiaraha-miasa amin’ny Sarobidy ny fahasalamana fianakaviana tantsaha (Safafita) sy ny fiangonan’i Jesoa eto Madagasikara, hampianatra ireo tantsaha. Andiany Fanilo-Fitiavana-Fanantenana, nahavita ny fiofanana ho mpampianatra naharitra 10 andro, izay nanomboka ny 9 novambra ka hatramin’ny 19 novambra, teny amin’ny Fetikrima Ambodivona.
« Manana tsy fahafahana hamaky teny sy hanoratra ireo tantsaha eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Mba hanala azy ireo amin’izay habadoana izany no tanjona tamin’ity tetikasa ity satria raha maro ny olona tsy mahay taratasy eto Madagasikara dia ho sarotra ny idirana amin’ny fampandrosoana », hoy Ravelomampionina Zanavolo Solomon, mpanentana ny tantsaha sady mpamorona ny tetikasa.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







