Rn7 – Taksiborosy iray notafihan’ny dahalo
Taksiborosy iray indray no niharan’ny fanafihana dahalo, ny alahady maraina, tokony tamin’ny 2 ora tany ho any, teny amin’ny lalam-pirenena Rn7. Tsy fantatra avy aiza ilay fiara fa 4 kilometatra tsy hiditra ny tanànan’Antsirabe hihazo ny renivohitra no niseho izany. Ahiana ho nandeha mafy ity taksiborosy ity satria nivadika avy hatrany tany anaty tanimbary satria nisy vato be nisakana teo ampovoan-dalana.
« Minitra vitsy no nanarahanay io fiara io sy iray hafa teo alohany raha niseho ny fanafihana. Nivadika avy hatrany ilay fiara noho ny sakana nahazo azy. Torabato ihany koa no niantefa teny amin’ny fiaranay mba tsy ahafahanay mivoaka manampy ireo niharam-boina », araka ny fitantaran’ny loharanom-baovao. Ity farany izay tao anaty fiara nandalo nahita tsara ny fizotran’ ny raharaha.
Mbola tsy nahenoana akom-baovao kosa ny nahazo ireo olona voasakana hatreto fa ankoatra ny entana sy vola noroban’ireo dahalo dia ahiana ho nisy naratra ireo mpandeha vokatry ny fivadihan’ny fiara. « Nandeha mafy izahay avy eo mba hampandre ny manam-pahefana fa ny nahagaga rehefa tonga teo amin’ny barazin’ny zandary dia ny mpitandro filaminana any Manandona izay any amin’ny kilometatra maro any indray no nampandrenesina andeha hamonjy ireo olona », hoy hatrany ny fitantaran’ny loharanom-baovao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







