Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Nosy Be – Tratra ireo mpangalatra “câbles”-n’ny Jirama

Lehilahy efa-dahy no saron’ny polisy teo am-pangalarana « câbles » izay an’ny orinasa Jirama, tao Andimahabo, tany Nosy Be Hell-ville ny alin’ny zoma lasa teo. Nandritra ny fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana no tratra izy ireo ka noraisim-potsiny fa tsy afa-nandositra. Tsy sambany izao fa araka ny fanazavana nomen’ny polisy mpanao famotorana dia mpangalatra efa mpamerin-keloka izy ireto ary efa za-draharaha. Fantatra fa io fangalarana ny tariby-n’ny orinasa Jirama io hatrany no efa nidiran’izy ireo am-ponja.

Tamin’ny fanambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama any an-toerana dia mahatratra 5 518 metatra ny halavan’ny « câble almélec » nangalarin’ireo efa-dahy ireo ary mitentina 93 289 850 ariary ny vidiny.

Mbola tsy fantatra kosa ny tena antony nangalaran’izy ireo izany tariby izany na ny olona maka izany fa ny siosion-dresaka no nahalalana fa misy sinoa mandray ny varahina amin’ireny « câble » ireny ka 9 000 ariary no andraisany ny iray kilao.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre