Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Ikalamavony – Dahalo telo maty voatifitra

Taorian’ny halatra omby niseho tao Andranolava, Ambalokambana sy Ambohitsy, tany amin’ny distrikan’Ikalamavony ny 20 novambra lasa teo dia telo lahy tamin’ireo dahalo no lavon’ny balan’ireo mpanara-dia ny ampitson’io ihany, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Nifanehitra tao Andohan’ny Lapanany, fokontany Ambodivohitra, any amin’ny kaominina Ikalamavony ny roa tonta ka raikitra ny fifandonana. Rehefa nifampitifitra nandritra ny ora maro teo ireo mpanara-dia sy ireo olon-dratsy, maty voatifitra ny telo tamin’ireto farany. Vaky nandositra kosa ny ambiny vao nahita ireo namany nitsarara teo amin’ny tany namela ireo omby miisa 330. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa noho izany ireo omby rehetra.

Marihina fa andian-dahalo maromaro no nanafika ireo valan’omby amin’ireo tanana voalaza ery ambony ka nahazoany ireo omby maro be ireo ny alin’ny zoma 20 novambra io. Nanapoaka basy izy ireto tamin’ny fidirana ny tanàna ka nampihoron-koditra tanteraka ny mponina. Tsy nisy koa ny aina nafoy na naratra nandritra ny fanafihana.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre