Fisolokiana – Zazavavy virijiny mody milaza fa voaolana
Tsy kely lalana ireo mpanao ratsy ary mahita teti-dratsy vaovao foana hakana vola amin’ireo lasibatra. Tsy tahotra tsy henatra fa tovovavy kely vao 13 taona monja misandoka ho nisy nanolana hakana vola be na omby amin’ireo lehilahy izay endrikendrehiny nahavita izany ary ny rainy ihany no miray tsikombakomba aminy amin’izany. Ity farany no mikarakara ny taratasy fanamarinana hosoka avy amin’ny dokotera ary mitarika ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Ilay zazavavy koa mahavita mandainga sy mandatsa-dranomaso mihitsy rehefa manoloana ireo mpanao famotorana, araka ny loharanom-baovao. Efa maro ireo lehilahy no lasibatr’izy mianaka izay nahazoana vola be sy vatana omby ary tsy vitan’izany fa midoboka am-ponja mihitsy ny sasany raha tsy mahay miaro tena tsara. Fa tratra ihany taty aoriana ny laingan’izy mianaka ireto satria rehefa nozahana ilay zaza dia fantatra fa mbola virijiny. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







