Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Fisolokiana – Zazavavy virijiny mody milaza fa voaolana

Tsy kely lalana ireo mpanao ratsy ary mahita teti-dratsy vaovao foana hakana vola amin’ireo lasibatra. Tsy tahotra tsy henatra fa tovovavy kely vao 13 taona monja misandoka ho nisy nanolana hakana vola be na omby amin’ireo lehilahy izay endrikendrehiny nahavita izany ary ny rainy ihany no miray tsikombakomba aminy amin’izany. Ity farany no mikarakara ny taratasy fanamarinana hosoka avy amin’ny dokotera ary mitarika ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Ilay zazavavy koa mahavita mandainga sy mandatsa-dranomaso mihitsy rehefa manoloana ireo mpanao famotorana, araka ny loharanom-baovao. Efa maro ireo lehilahy no lasibatr’izy mianaka izay nahazoana vola be sy vatana omby ary tsy vitan’izany fa midoboka am-ponja mihitsy ny sasany raha tsy mahay miaro tena tsara. Fa tratra ihany taty aoriana ny laingan’izy mianaka ireto satria rehefa nozahana ilay zaza dia fantatra fa mbola virijiny. Hiakatra fitsarana tsy ho ela  ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre