Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Sambava – Mpangalatra maty vokatry ny sintona filahiana

Tranga hafa kely no niseho tao Ambohitrangona, tany Sambava, ny zoma alina, tokony tamin’ny 9 ora tany ho any. Tovolahy iray manodidina ny 28 taona nikasa hangalatra no maty tsy tra-drano rehefa nosintomin’ny vehivavy, eo amin’ny 50 taona eo, ny filahiany. Tsy fantatra izay nahazo ilay tovolahy fa niboridana tanteraka izy niaraka tamin’ny famaky niditra an-keriny  tao amin’ny tokantranon’io ramatoa io, izay mipetraka miaraka amin’ny zafikeliny 12 taona, fa hoe handroba azy ireo.

Vao tafiditra tao an-trano anefa izy io dia nitolona ilay vehivavy lehibe ary nikasa hanapitra ny ain’ity farany saingy izy indray no nifoteran’ny teti-dratsiny. Tsy nisalasala mantsy ilay ramatoa nisintona mafy ny maha-lehilahy azy ka poa toy izay dia tapitra ny ainy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ilay lasibatra ka nidina teny an-toerana izy ireo nanao famotorana. Tsy nanano sarotra ny asan’ny zandary ny fijoroana vavolombelona nataon’ilay zazakely miara-mipetraka amin’ny lasibatra. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa mponina tao amin’ny fokontany Antaimby ilay mpangalatra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre