Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Amparibe – Nirehitra ny foiben’ny Kiadin’i Madagasikara

Nijoalajoala ny afo teny Amparibe, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 7ora. Rehefa nojerena akaiky dia ny foiben’ny Kiadin’i Madagasikara eny an-toerana ity nolalaovin’ny afo. Nisahotaka ireo olona teny amin’ny manodidina ka nampandre haingana ireo mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana ireto farany namono ny afo ka ora roa aty aoriana vao levona tanteraka izany. Ny rihana voalohany sy faharoa no tena may raha ny fahitana ny zava-niseho ary potika tsy  nisy noraisina manaraka izany ihany koa ny entana rehetra tao amin’ireo rihana roa ireo. Mbola tsy fantatra kosa ny nahatonga ny fahamaizana.

Maro ireo olona mametra-panontaniana amin’ny mety nahatonga ny afo ary tsy vitsy ireo miahiahy fa haintrano niniana natao izy ity. « Mankahery ny Kiadin’i Madagasikara ny tenako ary manantena ny ahitana ny niandohan’ny afo fa tsy maimay foana tahaka ny rovan’Ambohidratrimo sy ny rova Manjakamiadana ka manantena ihany koa ny hanoneran’izay nahatonga ny loza », hoy ny lehilahy sendra ny mpanao gazety teny an-toerana. Misokatra ny fanadihadiana.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre