Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Sœur Fabiola – Andrasana amin’ny alakamisy izao ny didim-pitsarana

Omaly no niakatra teo anivon’ny fitsarana tetsy Anosy ny raharaha mahakasika an’i Soeur Fabiolah. Samy nampiseho ny fahaizana mandresy lahatra sy manazava avokoa na ireo mpitory na ity voampanga. Olona roa no nijoro ho nitory an’i soeur Fabiola tamin’ny resaka fisolokiana sy fanodikodinana fananan’olona. Araka ny fanazavana naroson’ny iray tamin’ireo mpitory dia ity milaza fa mpitondra fivavahana ity no nahafoana ny fananany iray manontolo. “Nambarany fa ireo fananana rehetra azo talohan’ny nanarahana azy dia zava-boahozona avokoa ka tokony entina any aminy mba ho dorana”, hoy hatrany ity farany. Raha ny azy manokana dia notaomina tamin’ny kamio mihitsy ny entana ary nentina tany amin’ity mpitondra fivavahana ity. Fantatra anefa taty aoriana fa tsy nisy nodorana na dia iray aza ireo entana ireo fa nalainy ho azy ny sasany, nisy ireo namidiny ary nisy ireo nozarainy tamin’ny havany.

Tetsy ankilany kosa anefa dia nilaza ny tsy nanao izay rehetra iampangana azy i soeur Fabiola ary nanda izany hatramin’ny farany. “Tsy mbola nisoloky olona ny tenako ary fitoriana ny tenin’Andriamanitra no nataoko. Tsy fantatro akory na ireo olona mitory ahy ireo aza fa ny fantatro dia sotasota fotsiny ihany izao sy finiavana hanaratsy ahy fotsiny”. Samy nilaza sy namelabelatra ny fiarovan-tenany avokoa ny andaniny sy ny ankilany ary rehefa izany dia nisintona ireo mpitsara nandinika ny raharaha. Tsy mbola namoaka didy kosa anefa izy ireo tamin’io fotoana io fa mbola amin’ny alakamisy ho avy izao vao ho fantatra izany. Nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana famoahana vonjy maika izay nangatahin’ny voampanga.

Njara Fih

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre